Naneho ny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana tra-pahoriana noho ny lozam-pifamoivoizana afakomaly, ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Ravalomanana Marc. Anisan’izany ny nitranga tany Betroka sy ny Antsohihy. Nahalavoana olona 26 ny tany Betroka ary miisa 11 kosa ny tao Antsohihy.
Miondrika am-panajana ary maneho ny fampiononana ho an’ireo fianakaviana namoy havana ny antoko MMM. Nirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra sy mbola manaraka fitsaboana ihany koa izy ireo. «Efa miditra fahavaratra isika koa aoka samy ho mailo sy hitandrina isika mpampiasa lalana fa lahitokana ny aina», hoy izy ireo.
Mitohy ny raharaham-pitsarana momba an-dRavatomanga Mamy. Fantatra fa nahemotry ny fitsarana Tampony maorisianina ho amin’ny 23 novambra indray ny fandinihana ny fanoherany ny fihazonana azy am-ponja maharitra. Manohitra ny fangatahany ny talen’ny fampanoavana (DPP) sy ny «Financial Crimes Commission – FCC» izy.
Mitohy hatrany ny fanitarana ny fikambanana «Bandeau Rouge» manerana ny Nosy. Anisan’ny nametrahan’izy ireo ny fototra amin’izany ny ao anatin’ny faritra Sofia. Anisan’ny nentanina sy noresena lahatra ny tany Bealanana, Mandritsara ary Befandriana Avaratra. Nitarika izany, ny filoha nasionaly Ralaivahiny Frerot.





