Voarara ny fivezivezena manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina ao amin’ny distrikan’ Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Io ny didy navoakan’ny préfet Ambatondrazaka. Nihatra nanomboka ny talata teo ny tsy fivezivezena amin’ny alina ao an-toerana. Voasazy, araka izany, ireo rehetra minia mandika ny lalàna napetraka. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola mitohy ny fanarahan-dia
ataon’ny mpitandro filaminana an’ireo dahalo mpaka an-keriny. Misy ny vaovao arahina momba izany saingy tsy mbola misy ny voasambotra. Nanomboka ny talata teo, efa nahetsika avokoa ny mpitandro filaminana ao an-toerana hatrany Toamasina manao ny famotorana sy manara-dia ity tragana fakana an-keriny ity
Tsy mitsahatra
Mitohy hatrany koa ny antso ataon’ireo dahalo mpaka an-keriny mitaky ny vola 200 tapitrisa Ar. Manomboka manaraka izay koa ny famatarana an’ireo jiolahy nahavanon-doza. Ao koa ireo izay mety ho namany sy mpiray tendro aminy rehetra. Ankilan’izay, mbola ao Morarano Chrome avokoa ireo mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny.
Fantata fa efa intelo niharan’ny fakana an-keriny ireto fianakaviana avy ao Ambohimanarivo ireto. Niafara tamin’ny famoizan’aina izany. Antony mahatonga azy ireo manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana. Isan’ ireo mpanangom-bokatra matanjaka ao an-toerana ity fianakaviana ity ka hanamparan’ireo dahalo ny asa ratsiny. Tsiahivina fa ny alin’ny zoma teo no niditra an-keriny tao amin’ireo tompontrano ireo dahalo. Naka ireo takalon’aina efatra raha tafaporitsaka kosa ny iray. Taorian’io, nanao diabe tao Morarano Chrome ny havan’ireo nalaina an-keriny sady nangataka ny hijerena ny tsy fandriam-pahalemana nahazo vahana tao anatin’ny fotoana fohy. Afakomaly, nivory tao amin’ny tranom-pokonolona ny mpitandro filaminana sy ny mponina nandinika sy nitady vahaolana momba ny tsy fandriam-pahalemana.
Henintsoa Hani