Mbola hitohy anio ny fitsarana ny “Raharaha Ambohimalaza”. Niompana tamin’ny fihainoana ny vavolombelona, omaly. Somary hadinodino ny momba ny maty, nisy torana ny havana nandritra ny fitakiana onitra. Nisongadina ny olan-dry Fenohasina mianakavy.
Tara 40 minitra ny fotoam-pitsarana omaly, tsy araka ny ora nifanomezana tamin’ny 8 ora sy sasany. Vao maraina, efa tomefy olona ny efitrano fahefatra sy ny toerana nahafahana natrika izany. Tafakatra aman’alina ny mpanaraka mivantana tamin’ny pejy Facebook sy ny fahitalavi-pirenena. Nisantatra ny fifandaharana i Fenohasina sy ilay Jizza Ralison. Taorian’ izany, nohenoina indray Rakotosamimanana Mamonjiarisoa Olga, renin’i Fenohasina. Samy nanda ny fiampangana izy telo. I Fenohasina sy ny reniny kosa nanamafy fa samy narary.
Nanamarika ny omaly, ny fihainoana ny vavolombelona. Samy nilaza ny niainany ny zava-nisy ny olona akaiky an’i Fenohasina, toy ny rainy sy ny anadahiny ary ny rahavaviny. Nifampiaro tanteraka izy dimy mianaka. Tsy niresaka akory ny mety ho antony nahatonga ny fanapoizinana faobe izy ireo. Samy nanompana ny fanazavana fa narary ary saika maty izy telo dahy nateraky ny ray aman-dreniny. Nitondran’ny mpisolovava fanamarihana ny mahakasika ny rahavavin’i Fenohasina, izay nandray anjara tamin’ny fikarakarana sakafo kanefa, lasa vavolombelona fa tsy isan’ny voampanga. Samy nilaza izy dimy mianaka, fianakaviana iray tsy nisy maty na dia namonjy sy nisakafo aza fa «tsy misy ny olona arovana any ambadika satria izahay dia mitady ny marina mahakasika ny antony naharary sy nahatonga ny olona maty “, hoy izy teo alohan’ny mpitsara. Ankoatra izay, nilaza ho tsy nahafantatra an’ilay voalaza fa papasosin’i Fenohasina kosa ireo vavolombelona telo.
Tsiahivina, zaza fito taona no zandriny indrindra tamin’ny vavolombelona nohenoina omaly. Zanak’ilay vehivavy, voalaza fa nitondra vovo-javatra nanapoizinana ny lasibatra teny Ambohimalaza izy. Nambarany tamin’ny fandaharana fa tena narary izy, namonjy mpitsabo niaraka tamin’ny reniny. Nisy ny fanafody nomena azy.
Fianakaviana mifankatia?
Nanaitra ny mpanatrika ny fitsarana sy ny mpanara-baovao omaly, ny fomba fiainan’ity fianakavian-dry Fenohasina ity. Misy ny mandetika ny havany. Manizingizina fa tena mpamono olona ny vehivavy iray. Ankilany, nivoaka imasom-bahoaka ny fifamotoran’ ny mpirahavavy, miaraka
amin’ny vadin’ny sasany. Misy ny manolana, misy ny mifampiteraka mihitsy, misy ny mifamelona sy mifangata-bola ary miaraka any ambadika. Gaga sy sanganehana hatramin’ny fitsarana. Ankoatra izay, misy ny fianakavian’izy ireo any an-dafy izay mpamatsy ara-bola sy mpanohana ny fianakaviana rehefa misy filana tahaka ny fanomanana fety fankalazana tsingerin-taona nahaterahana.
Hadinodino
Asa raha tafiditra anatin’ny paikadin’ny fitsarana hamatarana ny marina ny fanomezana vahana be ny fanontaniana mahakasika ny fiainana manokan’ny voampanga sy ny fianakaviany? Tsy voaresaka firy ny tena votoatin’ady, dia ny fanapoizinana azy 35 namoy ny ainy. Efa hiroso amin’ ny fihainoana ny tohan-kevitra amin’ny mpisolovava tsirairay anefa ny fitsarana anio, raha ny fandaharam-potoana. Mialoha izay, mbola hitohy ny fihainoana ny vavolombelona tsy vita omaly. Niaraha-nahita ny tranga, mahakasika an’i Nomena, ilay nikarakaraka ny haingon’ny efitrano nilanonana. Ankona sy torana nandritra ny fihainoana azy ny reniny. Izy rahateo no naharava ny fotoana omaly.
100 tapitrisa Ariary
Nangataka onitra mitentina 100 tapitrisa Ariary ny tompon’ny toerana nanaovana ny fety fankalazana ny tsingerintaona teny Ambohimalaza. Anton’izany, ny fikatonanan’ny orinasa sy ny fijanonan’ny asa izay nataony noho iny loza iny. Anisan’ny nangataka onitra toy izay koa i maman’i Nomena.
Handrasana ny havoakan’ny anio. Tsiahivina fa nohazavain’ny mpitsabo fa GHD (vovo-javatra fampiasanan’ny olona entina hanolanana no nararaka tamin’ireo sakafo tany amin’ny fety). Mampatory olona izay tratrany io, raha ny fanazavana saingy tamin’ity tranga Ambohimalaza ity, lasa nivadika ho poizina izany.
Mino





