Ravan’ny afo ny trano iray tao amin’ny kaominina Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nanoran’andro tao amin’io tanàna io, ny harivan’ny alarobia. Nirefotra tampoka ny varatra. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ny renim-pianakaviana iray taorian’ny loza voajanahary. Taitra tampoka noho ny voina nitranga izy, araka ny loharanom-baovao. Nentina toeram-pitsaboana izy. Tsy nahiana ny fahasalaman’ity farany taorian’ny fanaraha-maso nataon’ny mpitsabo azy. Tetsy ankilany, trano iray levon’ny afo niaraka tamin’ny entana tao anatiny. Nilatsaham-potaka io trano io. Nahazo ny trano roa hafa tsy lavitra ny fahavoazana. Levon’ ny afo avokoa ireo fananan’ny tompon-trano tao amin’ilay trano iray lasibatra. Tsiahivina, vanim-potoana hitrangan’ny loza voajanahary tampoka tahak’ity niseho tao Ambohitrolomahitsy ity ny vanim-potoana fahavaratra.
Tsiferana R.





