Manome antoka amin’ny fangaraharan’ny fanatanterahana fifidianana ny governemanta. Mandeha amin’izany finiavan’ny governemanta amin’ny asa rehetra fanomanana fifidianana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nivahiny tao amin’ny fandaharana “Invité Afrique”, RFI, omaly.
Nampitomboana ny vola enti-manomana fifidianana, mitaha amin’ny fifidianana farany, taona 2018. Nampiana 25 miliara Ar amboniny ny vola hanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nampitomboana koa ny tetibolan’ny Ceni hahazoany miasa. Miantso ny mpanara-maso fifidianana iraisam-pirenena sy eto an-toerana ny governemanta. Eo koa ny amin’ny fitsirihana lisi-pifidianana.
Tsy miova i Madagasikara: tsy momba ny atsy na aroa
Anisan’ny firenena 141 nandany teo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), tamin’ny 23 fabroary, ny tokony hialan’ny tafika rosianina avy hatrany any Ukraine i Madagasikara. Tsy fiovan’ny toerantsika velively izany, fa fanamafisana ny fanapahan-keviny ny amin’ny tsy fombana ny atsy na ny aroa aza. Miaro ny fiandrianan’ny isam-pirenena i Madagasikara. Eo koa ny soatoavaina malagasy mandala fihavanana, indrindra ny fifamatorana amin’ny Ranomasimbe Indianina, faritry ny fandriampahalemana sy ny fahamarinan-toerana. Tsy tratra aoriana ny fifampidinihana mba hamerenana fandriampahalemana.
Tsy voamarina hatramin’izao ny amin’ny fisian’ny vondro-miaramila rosianina tsy miankina Wagner eto Madagasikara. Maro ny fanararaotana ny amin’ny fanelezana vaovao tsy marina. Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara ary mifandray sy miady hevitra amin’ny rehetra. Eo i Rosia, na i Ukraine, na firenen-kafa. Afaka sy mahazo mifandray amin’ny rehetra ny rehetra.
Voaresaka koa ny momba ny fanamboarana ny governemanta hitondra rivo-baovao amin’ny fampandrosoana, fa maro ny laharam-pahamehana amin’ny asa.
R. Nd.