Nampahafantarina omaly ny lisitr’ireo mpampianatra ENF enseignant non fonctionnaire namaly ny Appel à manifestation d’interet, taona 2023, ka nahafeno ny fepetra. Misy karazany roa izany : concours direct (fifaninanana mivantana) sy ny fanofanana manakaiky (proximité). Mahatratra 52729 ny antontan-taratasy voarain’ny tomponandraikitra eo anivon’ny INFP mahakasika ny fifaninanana mivantana. Mitsinjara toy izao ireo afaka ho an’ny sekoly ambaratonga voalohany (EP) 17795 ary ny kolejy (EC) 9142, ho an’ny mpanolotsaina pedagojika kosa 373 ary ny prescolaire 2274.
Ho an’ny Proximité kosa, 11804 ny antontan-taratasy voaray ary afaka fa nahafeno ny fepetra ny mpampianatra 8044 ary nanao confirmation.
«Ela ny fikirakirana ny antontan-taratasy satria mafy ny fanatanterahana izany. Misy fandaminana samihafa», araka ny fanazavan’ny tale jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny INFP, Rakotoharisoa Diamondra, omaly, teny Mahamasina. Ho an’ny proximité 2023, ENF manana ny maripahaizana bakalorea mbola haka CAP no voakasika fa ho an’ny proximité 2026 kosa olona sady efa manana bakalorea sy CAP no iantefan’ny AMI.
Mpampianatra ENF efa am-perinasa avokoa ireo ary nanaraka fiofanana satria tsy misy mpampianatra tsy niofana handray asa intsony. Napetraka ny fiofanana manakaiky ary ny FADES (ampitain-davitra), izay ny andiany fahatelo no hidirana izao.
Ho an’ireo izay afaka tamin’ny proximité 2023, efa tokony hanao ny fisoratana anarana eny anivon’ny centre hanaovana ny regroupement izy ireo. Aparitaka any amin’ny centre ny lisitra misy ny anaran’ireo ENF afaka. Ho an’ny concours, amin’ny volana marsa 2027 (mandritra ny vakansy paka) ny fanombohan’ny fiofanana ho azy ireo.
Vonjy





