Hotanterahina ao amin’ny Havoria Anosy, anio, ny Adihevitra Misokatra momba ny fitaterana an-tanety sy ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Tanjona ny ahitana vahaolana hampihenana ny loza izay mateti-pitranga na an-tanàn-dehibe na amin’ny lalam-pirenena.
Marihina anio ao amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny diabeta. Tolotra ara-pahasalamana maro samihafa izay atolotra maimaimpoana ho an’ny rehetra no hita mandritra ny hetsika. Efa maro ny olona manana toetena diabetika na lehibe na kely ka mila manaraka ny toromariky ny dokotera.
Nitsodrano ireo tanora Malagasy 19 mianadahy nahazo vatsim-pianarana ho any Maroka ny minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Andriamampandry Todisoa. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Fanjakana Marokanina, amin’ny alalan’ny AMCI (Agence Marocaine de la Coopération Internationale) sy ny OFPPT izany.





