Depiote Raheriarijaona Régina : “Tsy mijery firehana ny Fizafafi”

“Ao anatin’ny fikambanana ny tenako, ary anisan’ny nanorina izany hatrany am-boalohany. Toy ny fikambanana rehetra ny Fizafafi, tsy mijery firehana politika na finoana”, hoy ny depiote IRD voafidy tany Farafangana, Raheriarijaona Régina Cla­risse, momba ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampi­renena sady filohan’ny Fiza­fafi, Razanamahasoa Chris­tine, tany Fianarantsoa, ny herinandro teo.
Malalaka ho an’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa ny fikambanana: tsy idirana politika sy tsy anaovana ady seza, fa itondrana fampandrosoana ny faritany. Tsy manohitra ny hampisy ny Malagasy rehetra na iza na iza ao anatin’ny governemanta ny tenany. Tsy mametra ny zanaka mendrika tokony ho amin’izany na avy aiza na avy aiza. Amin’ny maha zanaky ny faritany, rariny raha hoe miady ho an’ny terak’i Fianarantsoa amin’izany. Saingy tsy ny fikambanana tsotra tsy manana firehana politika no iresahana seza.
Zanaka malagasy ireo diaspora, na mipetraka any andafy na eto. Mety avokoa ireo mendrika hitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana. “Aoka samy ho tompon’antoka amin’ny fa­nambarana nataony ny tsirairay”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: