Fitantanana sy andraikitra: manentana ny hananana fijery miabo manoloana ny sedra i Gestia

Iza izy ? Filoha nasiona­lin’ny Betsi-Groupe, Raholia­risoa Marie Gestia. Manam­bady an’i Zafinandro Laurent Charlin ary manan-janaka lahikely iray. Tia ny sakafo malagasy, toa ny ravitoto, mangahazo sy katsaka. Man­kafy ny dia an-tongotra ary anisan’ny fialamboly tiany ny fiainana anaty fikambanana. Tia ny gadona “Mafana – Rythme tropicale” sy ny zafindraony. Mpanakanto ankafiziny i Olombelona Ricky.

Tsy manilika amin’ny hafa ny tsy fahombiazana

Dingana teo amin’ny fianarana ny nahazoany ny “Master-II en commerce international”, nivoaka tao amin’ny oniversite Barika­dimy. “Concepteur” eo ani­von’ny minisiteran’ny Toeke­rana sy ny tetibola. “Mbola mikasa ny hanohy fianarana aho ary mikendry ny hahazoana ny “Doctorat” koa”, hoy izy.
Anisan’ny torolalana ome­ny ny tanora ny tsy fihemorana amin’ny tanjona tratrarina na ho firy taona aza vao ho tonga amin’izany. “Mila miezaka hatrany manoloana ny sedra ary matoky tena miaraka amin’ny bitsiky ny fanahinao manoro lalana amin’ny tanjona tratrarina”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy tokony hanilika amin’ny hafa ny tsy fahombiazana ary manao tombana sy mitsikera ny tena. Manarina ny tsy mety sy maka lesona amin’izany ahafahana manatsara ny ho avy, araka ny nambarany hatrany. Tokony hanana fijery miabo hatrany koa eo amin’ny fiainana mba ahafahana mandroso bebe kokoa.

Firaisankinan’ireo tanora manampahaizana

Anisan’ny fikambanana nidirany ny Betsi-Groupe. Anisan’ny naharesy lahatra azy ny fivoizan’ny fikambanana ny firaisankina eo amin’ireo tanora avara-pianarana sy manam-pahaizana, zanak’i Fianarantsoa. “Natao hijerena ny fampandrosoana ifotony ny any amin’ny tanindrazana niaviana”, hoy izy. Nitsan­gana ny taona 2013 ny Betsi-Groupe eo anivon’ny firenena ary misehatra amin’ny toekarena sy fihariana. Ny sosialy sy ny kolontsaina ary koa ny fiarovana ny tontolo iainana.

Miaina ny fanabeazana skotisma

Ankoatra izany, sekretera jeneralin’ny “Réseau des femmes originaires de la Région Matsiatra Ambony – Refor­ma” ny tenany. Efa fito taona nijoroana koa izany eo anivon’ny firenena. Mandala sy mivoy ny lafiny kolontsaina any amin’iny faritra iny izany fa eo koa ny lafiny sosialy.
Etsy andaniny, anatin’ny fikambanana Skoto koa Ra­holiarisoa Marie Gestia sy ny vadiny. Efa samy vita velirano avokoa izy roa. “Miaina sy mivelona amin’ny lalàna sy ny fitsipiky ny Antily izahay”, hoy izy, teo am-pamaranana.

Nangonin’i Synèse R.

Partager sur: