Fidinana ifotony: manentana amin’ny lisi-pifidianana ny Tim

Tonga hatrany ifotony ny toromariky ny mpitantana ny antoko Tim. Miezaka manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ireo mpikambana eny anivon’ny rantsa-mangaika. Anisan’ny nanao izany hetsika izany ny tanora Tim any Toliary, ny faran’ny herinandro teo. Nanentana ireo tsy mbola voasoratra, hanatona ny biraon’ny fokontany. Ta­haka izany koa ny tany Nosy Be ka niditra mivantana an-telefaonina tamin’izany ny mpanorina ny antoko, Ra­valomanana Marc. Voaresaka ny hampiroboroboana ny an­toko. Teo koa ny tany Amban­ja. Tsy vitan’izany anefa fa nanao asa sosialy izy ireo. Anisan’izany ny tao amin’ny kaominina, Antranonkarany, ka nanampiana ny Toby FJKM, mitaiza ireo marary saina. Nisitraka vary, savony, sira, akanjo… ireo olona maherin’ny 60 amin’izany toerana izany.

Tatitra sy ny fiainam-pirenena
Manolotra fampianarana teny Anglisy maimaim-poana ao amin’ny biraon’ny «Asso­ciation Ny Andraina”, Am­batolampy Ambohimanarina kosa ny depiote Andriam­pandry Todisoa.
nandinihana ny hampiroboroboana ny antoko sy ny fanentanana ny olom-pirenena hiditra ao anaty lisim-pifidianana.
Etsy andaniny, namory ireo olom-boafidy, ny komitim-pokontany rehetra sy ny lehiben’ny sampandraharaha ao amin’ny kaominina Am­bato, Ambohidratrimo ny depiote Rabenirina Mamy. Nanao tatitry ny fivorian’ny Antenimiera farany teo sady nandinika ny fiainam-pirenena izy ireo. Nitohy amin’ny fihaonana amin’ ireo tompon’andraikitry ny antoko Tim sy ny fanavaozana ny lisitry ny mpikambana izany avy eo.

Synèse R.

Partager sur: