Miankina betsaka amin’ny fiaraha-miasan’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fampiroboroboana sy ny fampitomboana ny orinasa eto Madagasikara. Ilaina ny mametraka fiaraha-miasa sy mamorona sehatra ahafahan’ny mpandraharaha misitraka tombontsoa sy tohana mifanaraka amin’ny filany. Navoitrin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Maison de l’Entrepreneuriat (MDE), sady talen’ny fiaraha-miasa stratejika eo anivon’ny BNI Madagascar, nandritra ny adihevitra nokarakaraina tao anatin’ny herinandron’ny fandraharahana izany. Nifampizara traikefa sy hevitra momba ireo fepetra ilaina hampiroboroboana ny orinasa malagasy ireo mpandray anjara ny hetsika. Ho an’ny MDE, manan-danja ny fampifandraisana ireo andrim-panjakana, orinasa, mpiara-miombon’antoka ara-bola ary rafitra mpanohana ny mpandraharaha. Tanjona ny hanamora ny fivoaran’ny orinasa sy hanitatra ny fahafahan’ny rehetra miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Nivoitra tao anatin’izay fa tsy afaka mandroso irery ny mpandraharaha, fa mila tontolo ahitana fiaraha-mientana sy fifanohanana.
Henintsoa





