Fandriampahalemana an-dranomasina : hanome traikefa ny Tafika malagasy ny Tafika indiana

Nitsidika ny tobi-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina Antsiranana (BANA) ny ma­soivohon’ny firenena indianina miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu niaraka tamin’ny delegasiona notarihiny, ny talata 28 febroary 2023. Nandray ny delegasiona ny kaomandin’ny BANA, ny capitaine de vaisseau Ra­mo­rasata Dimbiharivony Gislain, notronin’ny kaomandin’ny ZDS Ankarana, ny Jly Montrouge John Fitzgerald. Voaresaka nandritra izao fihaonana izao ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny firenena malagasy sy ny Tafika indiana momba ny fandriampahalemana aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina. Hisy, araka izany, ny fanomezana fampiofanana manokana ataon’ny Tafika indianina ho an’ny Tafika an-dranomasina. Tafiditra anatin’izao fitsidihana izao koa ny fanomanana ny fiavian’ny sambo mpiady indianina hi­antsona ao Antsiranana amin’ ity volana marsa ity. No­marihin’ny kaomandin’ny BANA fa tsy vao izao no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Tafika indianina fa efa hatry ny ela.

Jean Claude

Partager sur: