VAOVAO TAMBATRA

Mandray anjara amin’ny fivoriana ara-teknika karakarain’ny AUDA-Nepad, ny 25–27 novambra 2026, ao Port-Louis, Maorisy, i Madagasikara. Tanjona ny hisarika ireo mpamatsy vola ho an’ireo tetikasa indostrialy laharam-pahamehana, hanohanana orinasa madinika sy salantsalany miisa 500. Eo koa ny hampiroboroboana ny faritra ara-toekarena manokana (ZES).

Tontosa ny 20 sy 21 novambra teo ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny hetsika « Novembre Numérique 2026 », tao amin’ny Collège Jules Verne sy ny Alliance Française Ambatolampy. Nampahafantarina ny daholobe ny tontolo niomerika sy ny teknolojia vaovao, tamin’ny alalan’ny TICBUS sy ny atrikasa TIC. Hetsika nokarakarain’ny Alliance Française Antsirabe, niaraka tamin’ny MNDPT. Tanjona ny hampivelatra ny fahaiza-manao niomerika sy hampiroborobo ny fidirana amin’ny teknolojia.

Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro no napetraka tao Anjanahary II S, ny talata teo ho fanatsarana ny fandriampahalemana. Tanjona ny hanazava ireo faritra maizina sy hampihenana ny asan-
jiolahy, indrindra ny fanendahana amin’ny alina. Nitarika ny delegasiona nametraka izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rabearimanga Radonirina Lucas.

Partager sur: