Hifanome fotoana amin’ny mpankafy azy indray i Mirado, ny alahady 29 novambra izao, eny amin’ny CCEsca Antanimena. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana ary mbola misy ny tapakila eny amin’ny Super Music Analakely sy ao amin’ny Ticket place. Hohiraina ny hira nanamarika an’i Mirado mandritra ny seho amin’io alahady io.
“Ny taovolo sy fomba fitafy malagasy”. Io ny lohahevitry ny fampirantiana etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Nitsidika izany, omaly, ireo mpianatry ny Lycée Privé Anglican Albert Ratsimamanga Ambohidrapeto (LPAAR), kilasy famaranana. Ankoatra ny fampirantiana, afaka mijery horonantsary sy mifanakalo hevitra ary mifampizara fahalalana ireo mpitsidika.
Mbola manana ny maha izy azy ny Malagasy? Hatramin’izao, ilay maha izy azy, aza, toa manalasala ihany hoe fantany ve sa tsia? Teny, tany, fahalalana, fomba amam-panao, fady, sns. Fantatry ny Malagasy ve fa azy? Endrika ivelany sisa? Mety ho sarotra ny hamerenana ireo maha izy azy ny Malagasy ireo raha tsy izy tompony mihitsy no miezaka manao izany. Izay rahateo no tena endrika fenon’ny atao hoe « fandrosoana ».





