Tsy mahazo miverina

Tongotra mby an-dakana ny fanovana na fanavaozana amin’izao. Tsy ahazoana miverina… Tsy izay iharana sy ampiharana izany ihany no mila mahazaka, fa izay mampihatra indrindra koa. Tsy misy afa-bela na mihalangalana ho azy amin’izao. Na ahoana na ahoana, misy fiantraikany ny dona: sarotra ny miala amin’ny mahazatra, tsy mora ny miaina zava-baovao. He izany izy hoe fanovana sy fanavaozana! Mila fiaretana na inona mafy sy sarotra, mitaky faharetana na ho ela na ho haingana. Tanjona ny hanorina firenena sy Repoblika tsara fototra, marin-toerana, maharitra… Mba tsy hisian’ny krizy politika intsony!
Sao maika tratran’ny miadana àry na maika tsy faingana? Na izany aza, tsy mety koa ny ela fievoka ka may lamba, na manao ampitso ampitso lava tsy misy farany. Ilaina ny fahamatorana sy fahatokisan-tena ary fahazoana antoka izay aleha sy atao. Tsy kitsapatsapa amin’ny fifanilihana andraikitra izany, na fifanomezan-tsiny raha misy ny fahavoazana sy tsy fahombiazana. Samy tomponandraikitra amin’izay lazainy sy ataony, fa tsy misy miteny na mandeha fahatany amin’izao. Fiovana sy fanavaozana takina izay. Mila mijery lavitra sy milamina. Ho aiza marina ary hanao inona? Ny fakana na fihainoana ny hevitry ny hafa, misy handinihana ny an’ny tena. Ny fanehoana ny hevitry ny tena, hahalalana ny an’ny hafa.
Inona marina no mety sy mahasoa, mampiombona sy mampandroso… ? Izay tsy hiverenan’ny krizy politika intsony no hiaraha-mijery: azo atao… Ny tena ihany no antony. Tena miova ve ny fisaina sy fijery amin’ity hoe fiovana sy fanavaozana? Na farafaharatsiny ahay, vonon-kiova sy hanova… hifampitantanana: tsy maintsy mandroso, tsy mahazo miverina. Izay miara-mandeha no lasa lavitra, fa tsy izy mandeha irery noho ny hafanam-po: mandeha mafy, tsy mihevitra ny hafa…

R. Nd.

Partager sur: