Nametraka fandaharanasa avy hatrany ny filoha vaovao eny amin’ny Antenimierampirenena, ny depiote Tsaradia Marco amin’izao itantanany ity Andrimpanjakana ity izao. Nambarany fa maromaro ireo fanadihadiana hatao.
Natsidiny fa fomba fiasa vaovao no entina hitantanana ity Andrimpanjakana ity. Anisan’ny hatao vaindohan-draharaha ny famelomana indray ireo asam-baomiera sy fanadihadiana parlemantera. Notsindriny fa efa natomboka volana maro lasa izany, saingy tsy nisy tohiny nandritra ny fitantanana teo aloha. «Hotohizana avy hatrany ireo fanadihadiana parlemantera teo aloha. Haverina ny asa rehetra momba ireo fanadihadiana teo anivon’ny fitantanana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika tamin’ny fitondran-dRajoelina Andry. Hatao ny fomba hamoahana haingana ny tetibola ilaina hanohizana izany», hoy ihany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tsaradia Marco. Tafiditra ao anatin’ireo raharaha hotohizana ihany koa ny fizotry ny fiampangana an-dRajoelina Andry. Notsindriny fa anisan’ny andrasan’ny vahoaka sy ireo mpitolona ny momba izany.
Homena andraikitra ny Gen Z
Ankoatra izany, nampanantena ity depioten’Ampanihy ity fa hojerena manokana ny fanomezana andraikitra ny tanora. «Anisan’izany ireo tanora nitolona sy ireo manana diplaoma ary manam-pahaizana manokana. Afaka manampy ireo solombavambahoaka amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana koa izy ireo», hoy izy.
Nohazavainy fa ny solombavambahoaka hatrany no mitarika ny fanadihadiana parlemantera. Ilaina kosa anefa ny fandraisana anjaran’ireo manam-pahaizana manokana amin’ny sehatra voakasika. «Mba hanamafisana ny asa sy ny fahamarinan’ny fanadihadiana izany ka omena lanja manokana ao anatin’izany ireo tanora», hoy ihany izy.
Tsiahivina fa nandray ireo solontenan’ny tanora mpitolona, Gen Z, avy hatrany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, omaly, teny Tsimbazaza.
Synèse R.





