Mifanaratsy an-toerana ny samy depiote tamin’ny raharaha teny amin’ny Antenimierampirenena farany teo? Tsy tahotra, tsy henatra… Tsy fijerena lavitra koa ny amin’ny tontolo politika sy ny fomba fanaovana politika. Tsy misy fiovana… Mampanontany tena ny manam-panahy sy velona ahiahy. Inona marina, hono, no manesika sy manosika amin’ny fanaovana politika? Misy tsy mihevitra afa-tsy izay ho tombontsoany amin’ny fitadiavana sy fiadiana fahefam-panjakana. Iza na inona marina, ohatra, ny ao an-damosin’ny depiote amin’ny fanapahan-keviny sy izay ataony: ny vahoaka nifidy azy sa ny antoko politika niaviany sy isiany?
Raha ny ankamaroan’ny antoko politika be tsy andraofana, tsy firy no tena manana foto-kevitra na ideolojia politika mazava, na vinam-piarahamonina, na fandaharanasa hanatrarana izany… Saika izay hahazoana fahefam-panjakana fotsiny no imasoana. Rehefa eo vao mamoromporona an’itsy sy iroa. Tsy mahagaga raha be ny kitsapatsapa, fitompoana teny fantatra, fandehanana be fahatany… Tonga hatramin’ny hoe valifaty politika, potehina avokoa izay heverina ho manelingelina… Dia sanatria mbola ho izany ihany ve no hisy sy hiainana amin’izao hoe fanovana sy fanavaozana izao?
Raha ny fijerin’ny tanora sasany ankehitriny: rehefa tsy hiova amin’ny fomba sy tarazo ratsy amin’ny fomba fanaovany politika ny mpanao politika, mila ovaina amin’izay taranaka vaovao: manana fijery vaovao, sahy manova… Mila mihetsika ny tanora amin’izany? Tsy mitaky fotsiny fa mirotsaka an-tsehatra mivantana. Mby aiza? Alao hery àry! Efa miseholany ny fahatofohana amin’ny afitsoky ny ankamaroan’ny mpanao politika amin’izao. Mbola mety hiova na misy antenaina… Mila olom-baovao sy politika vaovao.
R. Nd.





