Filohan’ny Fanavaozana : «Fotoana izao tokony hanamafisana ny fiaraha-miasa»

“Fotoana izao tokony ha­namafisana ny fiaraha-miasa, satria mahatsiaro tena ho very ny Malagasy any.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Mada­gasikara, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, teny amin’ny seranam-piaramanidina, Ivato, afakomaly alina, taorian’ny dian’ny delegasiona notarihiny tany Djibouti. Fantatra ny fisian’ny Malagasy be dia be any Djibouti. Tany amin’ny fanombohan’ny fotoan’ny fanjanahantany no efa nisy Malagasy tany, izay manana ny maha izy azy avokoa.
Nandritra ny fitsidihana ofisialy tany an-toerana, nisy fangatahana fihaonana tamin’ ny tao amin’ny Palace Kem­pinski, Djibouti Renivohitra, nataon’ireo tomponandraikitra avy amin’ny tobim-pamaharana miaramila amerikanina. Teo koa ny fandraisan’ny filohan’ny Fanavaozana ny so­lontena avy amin’ny toby miaramila frantsay ao Djibouti. Nitarika azy ireo ny ambasadaoro frantsay ao an-toerana, i Jérôme Bresson. Fantatra fa anisan’ny firenena manana tobi-miaramila vahiny betsaka indrindra aty Afrika i Djibouti. Manana toby miaramila raikitra amin’izany i Frantsa, i Eta­zonia, i Chine, i Japon, i Italia.
Manamafy ny maha zava-dehibe ny anjara toeran’i Djibouti eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay fisian’ny toby miaramila vahiny maro izay, indrindra eo amin’ny fiaraha-miasa ara-miaramila sy stratejika. “Ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny tafika amerikanina sy ny Tafika frantsay dia nahazoana sy nianarana zavatra maro amin’ny fiaraha-miasa”, hoy ny filohan’ny Fa­navaozana ny amin’izany. Namarana ny dia ny fitsidihana ny faritra indostrialy “Dji­bouti Damerjog Industrial De­velopment” sy ny orinasa “Djibouti Telecom”.

R. Nd.

Partager sur: