Nametraka fitoriana eny anivon’ny HCC ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny sy ny depiote isany, Christian Afakandro, Issa Charles Ibrahim ary Charlot Mamihaja.
Anisan’ny anton’izany ny fanoherana ny fanapahan-kevitry ny Antenimierampirenena nanongana azy ireo tamin’ny toerany eo anivon’ny birao maharitra.
Takin’izy ireo amin’izany fitoriana izany ny fanafoanana ny fanapahan-kevitra laharana 01-AN/AR-2026, noho ny filazana fa tsy manaraka ny Lalàmpanorenana, indrindra ny andininy faha-74 andalana faharoa.
Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisian’ny porofo mazava momba ny fandikan-dalàna lehibe azo anomezana tsiny manokana ny tsirairay, takin’ny Lalàmpanorenana amin’ny fanesorana azy ireo amin’ny andraikiny.
Notsindrian’izy ireo amin’ny fitoriana koa fa tsy ampy hanamarinana ny fanonganana ny fahazoana ny maro anisa, roa ampahatelon’ny depiote.
Momba ny fizotry ny fifidianana kosa, nambaran’izy ireo fa tsy tao anatin’ny fandaharam- potoanan’ny lahadinika eny anivon’ny Antenimierampirenena ny fandinihana sy ny fandaniana io tolo-kevitra io.
Etsy andaniny, anisan’ny notsikerain’izy ireo koa ny fisian’ny taratasy fanomezam-pahefana miisa 36. Nambara talohan’ny latsa-bato izany nefa mifanohitra amin’ny fitsipika mifehy ny latsa-bato miafina, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Araka izany, mangataka ny HCC ireto depiote efatra ireto ny hanafoanana ny fanapahan-kevitra sy handinihana ireo antontan-taratasy ary koa ireo porofo mifandraika amin’iny fanonganana ny mpikambana sasany eo anivon’ny birao maharitra eny Tsimbazaza.
Synese R.





