Nampahatsiahy ny lalàna ny Gen Z Ankatso. « Tsy azon’ny solombavambahoaka atao ny mifindra vondrona parlemantera hafa ankoatra ny nahalany azy », hoy izy ireo. Nohitsin’ireto tanora ireto fa nandika Lalàmpanorenana ireo forongony maro anisa ka takin’izy ireo ny handravana ny Antenimiera na esorina ireo « Orange » nivadika rehetra.
Nodimandry, afakomaly atsy Maorisy ny depiote teo aloha, Rajonshon Bruno, fantatra amin’ny anarana hoe Brunly. Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’i Marovoay ny tenany tamin’ny fotoan’androny. Hoentina any Mahajanga ny nofomangatsiakany amin’izao faran’ny herinandro izao.
Laharam-pahamehana amin’ny tetibola 2027 ny fanatanterahana ny fifidianana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Ramiarison Herinjatovo Aimé, teny Tsimbazaza, afakomaly. Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana koa ny fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana.
Ny fanatsarana ny fampianarana toy ny fampitomboana ny isan’ny mpampianatra, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ary koa ny fampiakarana ny teti-bola ho an’ny vatsim-pianarana. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny filohan’ny Antenimiera, Tsaradia Marco, ny solontenan’ny mpianatry ny Oniversiten’Antsiranana, omaly teny Tsimbazaza.





