Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny antoko mpihira Ezrahita. Hisy ny rindran-kira lehibe nampitondraina ny lohateny « Ezrahita chante… Ezrahita » (Ezrahita mihira… Ezrahita). Seho hotanterahina ao amin’ny FJKM Ambohimanandray Filadelfia etsy Ambohimanarina, rahampitso alahady 29 novambra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro.
Mahatratra 16 ireo hira hanomezan’ny antoko mpihira Ezrahita voninahitra an’Andriamanitra amin’io fotoana io. « Ezrahita mihira… Ezrahita », satria, sanganasa noforonin’ ireo mpikambana efa nandalo na ireo mbola am-perinasa
avokoa no hohiraina. Tsiahin’ireo hira nanamarika ity antoko mpihira ity tao anatin’izay 65 taona niforonany izay.
“Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fiderako anao.” Salamo 71: 14 io no teny faneva nosafidina tamin’ity faha 65 taona ity. Nomarihin’ny tompon’andraikitra fa tsy misy ny vidim-pidirana amin’io rindran-kira lehibe io.
HaRy Razafindrakoto





