Tontosa ny alakamisy teo, tetsy amin’ny Havoria Anosy, ny fivorian’ny Vovonamben’ny mpaka sary. Nojerena tsirairay ireo lahadinika manodidina
ny saripika amin’ny maha asa azy. Anisan’ny lehibe tamin’izany koa ny fifidianana izay ho mpitarika ny vovonambe, ka lany ho filoha i Masy Andriantsoa, izay fantatra amin’ny mpitarika ny Ymagoo.
Miroso amin’ny fanatevenana ny fampianarana kolontsaina sy zavakanto ary fomba amam-panao ny Valiha Académie. Fantatra, omaly, fa hirotsaka tanteraka amin’ny fanentanana sy fanafanana ary fikarakarana hetsika kolontsaina sy fanabeazana ity foibe fikarohana ity. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fifandraisana : « hahazo vahana sy laka ary faka ny fanomezan-kasina ny maha Malagasy… Ny fanajana ny harena ny fahasamihafana, sns ». Nohamafisiny fa iray amin’ireo fototra iaingana amin’izany ny fahalalana navelan’ny Ntaolo.
Efa vonona ny tarika Rheg The Rang sy ny Otoprod amin’ilay fampisehoana “November Rock”, hatao eny amin’ny Garage Mozika 67Ha, rahampitso. Tanjona ny hanomezana sehatra ny mozika rock sy metal, hampahafantarana ny sanganasan’ny tarika ary indrindra hampivondronana ireo mpankafy. Haseho amin’ny endrika vaovao ity andiany faha-15 ity.





