MBC : Mikaroka ho an’ny filana eto Madagasikara

20 taona ny Madagascar Biodiversity Center (MBC), izay fikambanana mpikaroka miara-niasa sady eo ambany fia­hian’ny Parc botanique et zoologique Tsimbazaza ao anatin’ ny division entomologie, mikaroka momba ny bibikely. Tao ana­tin’ny 20 taona, niezaka ny ekipan’ny MBC nijery ny fomba ahafahana mamoaka ny voka-pikaroha ho an’ny filana eto Madagasikara. Ohatra iray ny fikarohana mahakasika ny lalitra ahafahana manena ny vokatra simika omena ny biby fiompy. Iarahana amin’ny olona eny ifotony toy ny tany Farafangana ny fijerena ny vokatry ny fikarohana natao. Miakatra 30% ireo vokatry ny fambolena ho an’ny tantsaha nampiasa ny voka-pikarohan’ny MBC avy amin’ny fampihenana ny zezika simika, araka ny fanazavan’ny talen’ny Parc Tsimbazaza, Onja Hari­veloniaina Razanamaro, omaly, teny Fiadanana.
Efa fantatra avokoa ny zavatra tokony hatao avy amin’ny fikarohana nandritra ny 20 taona fa mijery ny fampiharana azy ny mpikaroka siantifika, hoy ny mpanorina ny fikambanana Brian Fisher. Anisan’ny vokatra nisongadina koa ny fikaro-hana momba ny bibikely, vitsika, navoaka amin’ny boky manokana. Fanamby ho an’ny 20 taona hoavy ny ahafahan’ny MBC miara-mivoatra amin’ny parc Tsimbazaza.

Vonjy

Partager sur: