CERCOM sy ny COMMO : Namoaka ny gazety boky “Seradika” fahefatra

Zanatsehatra iray ao ana­tin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha olona eo anivon’ny oniver­siten’Antananarivo ny zanatsehatra Serasera (COMMO). Mankalaza ny faha-21 taona nisokafan’ny fiofanana momba ny serasera sy ny 20 taonan’ ny Soamiditra, izay fandrai­sana ny mpianatra vaovao ao anatin’ny zanatsehatra mandritra ny hateloana. Andro faharoa ny omaly. Fotoana nanolorana ny “Seradika”, izay voka-pikarohan’ny ivontoeram-pikarohana momba ny Serasera Dinika Karoka (CERCOM). Laharana fahefatra no nampahafantarina omaly momba ny gazety boky siantifika Seradika. Voka-pikarohana amin’ny endriny lalina siantifika no hita taratra ao anatiny. Manana komitin-tsiansa ma­neran-tany avy amin’ny kaontinanta maromaro manoratra ny lahatsoratra izy ireo.
Vokatra vaovao faharoa ny Seradika le mag, hizarana ny vokatra ho an’ny daholobe izay mampahafantatra ny serasera, ny zavatra entiny ho an’ny fiainan’ny fiarahamonina sy ny lanjany. Ny lohahevitra fandraisana anjara, ireo asa fikarohana ataon’ny mpiofana eny an-tsehatra (manomana Master sy doctorat), ny vaovao miseho amin’izao fotoana izao ary farany ny tontolon’ny serasera no zaraina ao ana­tin’ny Seradika Le Mag.
Nisy adihevitra momba ny serasera sy ny fandrosoana nahitana mpandray anjara avy amin’ny tontolon’ny asa, ny fandrosoana eto Madagasi­kara momba ny fanambin’
ny serasera ho an’ny fandrosoana omaly, araka ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny COMMO sady tomponandraikitry ny famoahana ny gazety boky sy ny magazine Seradika, Dr Hagasoa Tamby.

Vonjy

Partager sur: