Ho an’ny zanak’i Fianarantsoa : miantso firaisankina sy fitoniana ny Fizafafi

“Mitondra hafatra ho an’ny zanak’i Fianarantsoa tsy ankanavaka izahay. Aoka hitandrina toy ny anakandriamaso ny firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana isika; aoka handala ny fifankatiavana sy ny fihavanana ary ny fandeferana.” Io ny fanambaran’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi), novakin’ny filoha lefitra, Razafimandroso Au­relien, teny Ambatoroka, afakomaly, manoloana ny kabarin’ny filohan’ny Antenimi­eram­pirenena sady filoha nasionalin’ny Fizafafi, Raza­namahasoa Christine, tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo. Na eo aza ny firehan-kevitra maro tsy mitovy, entanina hatrany mba ho saro-piaro amin’ny hasin’ny faritany isiana.
Derainy manokana ny ezak’ireo mpitandro filaminana sy ny fahendren’ireo mpizaika rehetra, indrindra ireo niahy ny kianja Don Bosco, An­kofafa, Fianarantsoa. Satria tsy nisy ny voina, na ratra, na korontana niseho. Nirindra tao anatin’ny filaminana ny fihaonambe, na olona analinkisa aza no tonga nanatrika izany.

Raiamandreny am-panahy, ampanjaka…
Nisaorany koa ireo raiamandreny am-panahy, nitondra tamim-bavaka ny fivoriambe sy ny hetahetam-pampandrosoana ny faritany. Ma­n­katelina feno an’ireo ampanjaka sy tangalamena ary lonaky tomponandraikitra izy. Eo koa ireo raiamandreny ara-drazana rehetra, nitarika ny zanaky ny faritra avy amin’ny misy azy ireo tsirairay avy, niara-nanamafy ny firaisankina sy nitondrana ny hetahetam-pampandrosoana ny faritra misy ny tsirairay avy.
Nisaorany manokana ny filoha nasionalin’ny Fizafafi, nanaiky amim-pitiavana hi­tondra ny hetahetam-pandrosoana nangatahin’ireo raiamandreny isam-paritra. Hi­roso amin’ny fananganana ny Fizafafi manerana ny faritany enina ny fikambanana ankehitriny.

R. Nd.

Partager sur: