Fandriampahalemana : hihamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina

Natao teny amin’ny trano fonenan’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, omaly, ny fankalazana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas. Nanamafisana ny fifandraisan’ireo manam-boninahitra amin’ny fitandroana filaminana Amerikanina sy Mala­gasy ary mpiara-miasa vahiny ity fahatsiarovana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas ity. Ity hetsika ity, nanasongadina ny fahavononan’izy ireo hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiantohana ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy ny Nosy manodidina. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoari­jaona Josoa niaraka tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé.

Jean Claude

Partager sur: