Famahana olana : nihaino ny vahoaka eny ifotony ny loholona Eddie Serge

Mametraka ny maha mpi­ahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azy. Nidina ifotony tany Anta­nanambo Ankavanana any Antalaha, hatrany Sara­han­dra­no ny loholona Eddie Serge Fernand. Nitafa mivantana, nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny vahoaka ny tenany. Lavitry ny tanàn-dehibe nefa mamokatra izany toerana izany ary afaka hampandrosoana an’iny faritra iny.
Tafiditra tanteraka amin’ny fiahiana ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (CTD ) rahateo izao fidinana ifotony izao. Naha­liana ireo vahoaka ny fihaonana. Niatrika izany ireo ampan­jaka sy tangalamena, vehivavy sy ny tanora ary ny tantsaha. “Ilaina tokoa ny fiaraha-midinika sy fiaraha-mientana hizorana amin’ny fampandrosoana miaraka”, hoy izy ireo.

Olan’ny lavanila

Anisan’ny voaresaka ny momba ny fandriampaha­lemana, ny olana amin’ny vokatra lavanila, anisan’ny antoky ny toekarena any an-toerana.
Nihaino ny fangatahanan’ireo vahoaka ny loholona mba hampitaina amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta na ny filoham-pirenena.
Tsiahivina fa vao avy na­mita iraka tatsy amin’ny Nosy La Réunion niaraka tamin’ny filohan’ny Antenimierando­holona ny tenany, izao nijery ifotony ny fiainan’ny vahoaka sy ny olany izao.

Synèse R.

Partager sur: