Mpitendry gitara amerikanina i David Lindley. Fa ny tena nahafantarana azy kosa dia ny nitetezany firenena maro, nitiliana ireo mpanakanto mamiratra, manana mozika azo amidy amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nambabo azy sy ilay namany Henry Kaiser ny mozika malagasy, izay tena nanokanan’
izy ireo ny talentany sy ny fotoanany tokoa.
Araka ny vaovao nilatsaka omaly, nodimandry i David Lindley. Naneho ny alahelo, sy nankasitraka azy noho ny zava-bitany hoan’ny mozika Malagasy ireo mpanakanto izay nahazo soa taminy. “Nitondra anay sy ry Rakoto Frah nitety an’i Etazonia izy, nandritra ny fampahafantarana ireo rakikira “World Out OF Time”, izay navoakan’i Sanachie, ary niarahan’izy sy i Henry Kaiser nanatontosa”, hoy i Rossy.
Tsy i Rossy sy Rakoto Frah ihany, fa teo koa ry D’Garry, Dama, Voninavoko, Tarika Sammy, sns, no nampian-dry David Lindley. Ilay rakikira “World Out of Time” no nanombohan’ny nahafantarana ny fampiarahana talenta teo aminy Henry Kaiser ary ireo mpanakanto malagasy. Noho ny fahombiazan’ny rakikira voalohany ny taona 1991, nisy ny andiany faharoa ny taona 1993 ary ny fahatelo ny taona 1993. Azo lazaina fa ireo rakikira tambatra ireo no nanokatra ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena hoan’ireo mpanakanto malagasy tamin’ireo vanim-potoana ireo.
Zo ny Aina