Navoaka ny entan’ilay vadintany… : mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny hofan-trano tsy voaloany

Niroso tamin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana ny vadintany, omaly, nanala ny vadintany nipetraka tamina villa iray eny Ambohibao, rehefa tsy nahaloa hofan-trano an-taona maro. Efa mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny hofan-trano tsy naloany…

Tsy nandoa hofan-trano efa an-taona maro ity vadintany mipetraka eny amina villa iray eny Ambohibao ity. Voatery nakana vadintany hafa mihitsy nandroaka azy niala ny trano. Tonga nanala azy tamin’ny trano araka ny didim-pitsarana ny vadintany, omaly maraina. Fantatra fa vola mihoatra ny 100 tapitrisa Ar no tsy naloany nandritra ny fotoana nipetrahany tao amin’ity villa ity. Niroso tamin’ny famoahana ny entana, araka izany, ny vadintany nanatanteraka ny didim-pitsarana. Araka ny fanazavan’ny vadintany, na­natanteraka didim-pitsarana omaly, ny Me Razafindrahasy Olivia, didim-pitsarana efa tamin’ny taona 2021 izy ity. “Natao ny fomba rehetra ha­natanterahana azy mba tsy hanalana baraka ny holafitra ka izao tonga amin’izao fo­toana izao satria efa niangavy foana izahay hatramin’izay”, hoy izy. Nambarany fa manatanteraka didim-pitsarana ny asan’ny vadintany. “Tena sarotra kanefa tsy misy olona ambony lalàna eto. Tianay hoporofoina fa efa niala nenina indray izahay nandritra ny taona 2022. Olana be foana anefa isaky ny hanatanteraka didy izahay teo aloha”, araka ny nambarany. Nohitsiany aza fa tsy misy mihitsy ny fifampiarovana fa izao iarahantsika mahita izao ny zava-misy na dia samy ao anatin’ny holafitra aza.

Niverina amin’ny tompony ny trano…

Nambaran’ny tompon-trano fa aman-taona ity vadintany nipetraka tao amin’ny tranony ity no tsy nandoa hofan-trano. Tsy vitan’izay fa nisy fotoana, nomeny taratasy hosoka milaza fa resy teny anivon’ny fitsarana ny tompon-trano. “Tsy nipetraka tamin’izao anefa izahay fa nandresy teny amin’ny fitsarana ihany koa. Niezaka niteny moramora azy izahay ha­naterany ny fanalahidin’ny trano mba tsy hisian’ny fifanalam-baraka eo amin’ny samy vadintany”, hoy ny tompon-trano. Nangatak’andro ihany anefa izy saingy niteny tamin’ny tompon-trano fa tsy hanao fampiakarana intsony fa hanaiky hiala rehefa tapitra ny fe-potoana. Tanteraka soa aman-tsara ihany anefa ny fanalana azy ka izao miverina aminay izao ny trano, araka ny fanazavan’ny tompon-trano. Araka ny ao amin’ny grosse 100 tapitrisa Ar no asain’ny fitsarana aloany kanefa tokony hihoatra izany satria hatreo ny ady nandeha teny amin’ny fitsarana saingy tanterahina izay voalazan’ny fitsarana.

Jean Claude

Partager sur: