Filoha Rajoelina Andry : “Ireo maherifontsika no fitaratra ho antsika”

“Ireo maherifontsika ni­ady, nitolona, niaro, nanolotra ny aina ho an’ny firenena no fitaratra ho antsika: tsy nijery ny ho azy samirery, fa izay mahasoa ny vahoaka malagasy. Izany no entintsika miasa ankehitriny”, hoy ny filoha Rajoe­lina tany Mora­man­ga, omaly, tamin’ny faha­tsiarovana ny faha-76 taonan’ny 29 marsa 1947. Misy mi­la­za fa tia tanindrazana, nefa misakana fampandrosoana na ny tenany no jereny fa tsy ny vahoaka.
Izay afon’ny fitiavan-ta­nindrazana izay no tiana hampitaina ho fanilo miampita amin’ny Malagasy tsirairay avy. Izay no nisafidianana ny lohahevitra: “Tolom-panafahana, firaisankina ho an’ny fitiavan-tanindrazana”. Firaisankina sy fitiavan-tanindrazana no ahazoana mampandroso an’ity firenena ity.
Nisy ny tolona natao teto amin’ny firenena, nangatahana fahaleovantena ary izay no tohizana ankehitriny mba ho tonga tokoa ny fahaleovantena amin’ny sakafo, toekarena… Mila olona tena tia tanindrazana ny firenena, olona manompo sy miasa ho an’ny vahoaka fa tsy miasa ho an’ny tenany. Izay vonona hanolotra ny ainy ho an’ny sakaizany sy ny mpiara-belona ary ny vahoaka no tena atao hoe tia tanindrazana.

Ilaina ny fanoloran-tena

“Vonona aho hanao ny fom­ba sy ny ezaka rehetra mba hampandroso an’ity firenena ity”, hoy izy. Ohatra nataon’ny mpitondra tamin’izany ny fanilo entintsika ankehitriny. Raisi­na ho maodely ny risipo, ny fitiavan-tanindrazana, ny fahafoizan-tena, ny firaisankinan’izy ireo.
Izay no iantsoany ny vahoaka hiray hina sy hifankatia, tsy hanaiky hozarazaraina fa hi­tambatra. Indrindra handala ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina, hanana finoana sy fahasahiana, hiara-mientana ho an’i Madaga­sikara…
Ilaina ny fanoloran-tena fa Malagasy iray tsy mivaky isika. Tanindrazana iombonana ity. Ny vina sy ny faniriana iraisana no hampandroso an’i Madaga­sikara. Malagasy ra, Malagasy reny, Malagasy ray. Mandeha haingana rehefa ny tena irery no mandeha; fa rehefa ny rehetra no miaraka, lasa lavitra no mandroso ny firenena. Tsy maintsy hampandrosoana i Ma­dagasikara.
Nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny maherifo, ny fitsidihana ny mozean’ny sekoly ambonin’ny fanofanana ho zandary, ny fanomezana ho an’ireo akanga sisa nanamborana… Teo koa ny fanolorana kamiao hanadiovana tanàna sy ny moto ho an’ny ben’ny Tanàna. Hotokanana alohan’ny jolay kosa ny hopitaly sy ivontoerana ho an’ny zokiolona.

R. Nd.

Partager sur: