Fianakaviana voatafika tany ampasika: Tavovavy rao voaolana, olon-dehibe telo naratra

Nanafika tokantrano iray tany Ampasika Alakamisy ny olon-dratsy miisa telo, ny alin’ny alatsinainy teo. Noratrain’izy ireo ny olon-dehibe miisa telo tao an-trano. Naolan’ireo jiolahy ny tovovavy roa zanaky ny tompontrano. Taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary, voasambotra ny olon-dratsy roa.

Notafihin’ny andian-jio­lahy mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray tany Ampasika, fokontany Ambohibary, kaominina Ala­kamisy, distrikan’­Anjozorobe, ny alin’ny alatsinainy 5 oktobra, tokony ho tamin’ny 8 ora alina tany ho any. Niditra an-keriny tao an-trano ny olon-dratsy miisa telo, nirongo basy sy zava-maranitra. Vantany vao tafiditra, nanambana tamin’ny fitaovam-piadiana ireto farany. Nafatotr’izy ireo ny olona rehetra tao an-trano. Mbola noratrainy koa ny olon-dehibe miisa telo, izay nahi­tana lehilahy roa (65 sy 46 taona) sy renim-pianakaviana iray 56 taona. Voavely tamin’ ny zava-maranitra teo amin’ny lohany ny rangahy iray. Voa­kapoka tamin’ny famaky ny kitron-tongotran’ilay rangahy faharoa, raha toa ka voavely tamin’ny baramina ny vala­hana sy ny tanan’ilay renim-pianakaviana. Rehefa izay, naolan’ireo olon-dratsy ny roa vavy (17 sy 14 taona) zanaky ny tompon-trano. Rehefa avy nahavita ny asa ratsiny sy nandraoka ny entana sarobidy tao an-trano ireo olon-dratsy dia nitsoaka.
Nampandre ny zava-ni­tranga tamin’ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Andonona, omaly 06 oktobra 2026, ny olona tsara sitrapo iray. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadiha­diana ny zandary.

Olona roa voasambotra

Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana. Olona roa no efa voasambotra ta­min’io fanafihana niharo fanolanana io. Voasambotra omaly ireo lehilahy miisa roa,. Ani­san’ny nandray anjara tamin’ ny fanafihana izy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ny na­many iray izay nandray anjara tamin’izany. Mitohy ny fana­dihadiana ny raharaha izay iandraketan’ny zandary ao Anjozorobe.

Mino

Partager sur: