Sady vaky loha no niala nify, hita faty teo amin’ny sisin-dalana ny zandary iray afakomaly alina. Novelesina tamin’ ny vatan-kazo izy tao Ambalamanasa, araka ny loharanom-baovao.
Ahina ho novelesin’ny olona nahavanon-doza tamin’ny « bois rond » ilay zandary hita faty tao amin’ny fokontany Ambalamanasa, kaominina Manakara, afakomaly. Nihintsana ny nifiny. Nahitana faritra mangana ny fihirifany. Vaky ny lohany. Ny alin’ny zoma 9 oktobra, hitan’ny olona akaiky azy nisotrosotro niaraka tamin’ny sivily roa tao amin’ny fokontany Andranomainty izy. Naharitraritra ny fijanonany tany ivelan’ny toeram-piasany. Zandary niandry raharaha amin’ny alina rahateo izy. Nivoaka hisakafo, araka ny fampitam-baovao hatrany no nialany tao. Nandrasan’ny namany ny fivereny saingy nampiahiahy ny fitarozahany. Kinanjo vatana mangatsiaka sisa no hita.
Naharay fampahafantarana avy hatrany ny lehibeny vantany vao nahazoam-baovao izy. Nisy ny fidinana ifotony nizaha ny zava-nisy. Niaraka tamin’ny mpitsabo izy ireo. Nohamafisin’ity farany fa niniana novonoina ilay zandary, araka ny tatitra avy ao amin’ny tobim-pahasalamana CSBU Maroalakely.
Nisy olana
Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Efa nisy ny olona notazomina hakana am-bavany. Anisan’ izany ny tompon’ilay trano fisotroan’ity lasibatra ity toaka. Marihina fa efa manana olana noho ny fiankinan-doha amin’ ny alikaola, ilay zandary nisy namono, araka ny fampitam-baovao hatrany.
Tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoan’olona azy. Fantatra tamin’ny fampitam-baovao avy amin’ny mpanao gazety any an-toerana fa faritra ilana fahamailoana ny ao Manakara amin’izao fotoana izao. Trangam-piarahamonina matetika miseho ny fanendahana amin’ny alina ka ilana fitandremana. Mainka manampy trotraka ny fisian’ny fahatapahan-jiro noho ny delestazy izay tsy nisy tany an-toerana hatrizay.
Tsiahivina fa efa nandefa “groupe” matanjaka any Manakara ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny orinasa Jirama.
Tsiferana R.





