Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitaky ny hanaovana fikaonandoham-pirenena ny mpanohitra sasany. Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry: “Ny tadiavin’ny sasany atao: ny fisian’ny manam-bintana mankamina fitondrana Tetezamita hahazoan-toerana.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao?
Rakotoarijaona Jerry (-): Ao anatin’ny famaranana ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra izao, mampirongatra ny fangatahana isan-karazany. Misy mieritreritra fa izao ny fotoana angatahana ny hetahetany. Ao koa ny misy manosika aty ambadika mba hahazoana miteny hoe izahay mahavaly an’izany. Eo koa ny adivarotry ny mpanao politika isan-karazany. Satria amin’ny fifidianana toy izao, tsy misy miaraka na mifanohana fotsiny. Fomban’ny antoko politika ny mifanaraka sy manao fepetra toy ny fanatanterahana fandaharanasa, ohatra. Izay mampisy toy ny hoe savorovoro kely.
* Ary ny amin’ny fitakian’ny mpanohitra sasany mitaky fikaonandoham-pirenena?
– Marina aloha ny hoe tsy misy tsara toy ny mifampiresaka. Fa mifampiresaka toy inona? Efa nisy, ohatra, teto ny dinika momba ny fananan-tany, ny fambolena sy fiompiana; eny, na ny momba ny fitsirihana ny rindrambaiko amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy aza, fa tsy nanatrika izany ny mpanohitra. Fifampiresahana toy inona izany no tiana hatao amin’izany? Ny tadiavin’ny sasany atao: ny fisian’ny manam-bintana mankamina fitondrana Tetezamita hahazoan-toerana. Misy koa ny mpanao politika mieritreritra hamerina ny tamin’ny 2018 hahazoana miditra ao anaty fanjakana, nefa hafa ny zava-misy amin’izao.
* Ahoana ny amin’ny fitakiana ny tokony hanovana ny mpikamban’ny HCC sy ny Ceni?
– Nanaraka lalàna ny fanendrena azy ireo. Tsy nahitana disadisa tamin’ny fifidianana ny fanendrena azy ireo. Faritan’ny lalàna ny asan’izy ireo, tsy hanao ny rafitra na sehatra nifidianana azy fa ny an’ny andrimpanjakana nanaovany fianianana. Noho izany, tsy hita izay antony hanovana ireo mpikambana amin’ny fanatanterahana ny asany.
* Ary ny fanahiana korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana?
– Resahina hatrany izany rehefa fifidianana… Kajikajy politika ihany izany mba manemotra ny fifidianana sy hahazoana miomana kokoa. Ireo mbola tsy miomana no tena mieritreritra an’izay. Ireo efa zatra misehatra fifidianana, manaraka tsara ny zotra amin’izany: tonga rehefa antsoin’ny Ceni, ohatra, manentana amin’ny fisoratana anaty lisitry ny mpifidy…
Tsy misy madio 100% izany ny fifidianana eto ambonin’ny tany. Na tany Etazonia sy Frantsa aza, ohatra, nisy niteny hatrany fa tsy mazavazava na naloto ny fifidianana. Ny fikarakarana no tokony ho tomombana, ary hojerena tsara farafaharatsiny hialan’ny ahiahy rehetra momba ny lisi-pifidianana, ny amin’ny fampielezan-kevitra…
* Mila fanitsiana sa tsia ny lalàm-pifidianana amin’ izao?
– Eo ny mahagaga kely… Ny maro anisa tamin’ny fitondrana HVM no nandany an’io lalàm-pifidianana io, ary nahavitana fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika. Nanaiky ny fahareseny koa izay tsy voafidy tamin’ny fihodinana faharoa, ary nanatrika ny fianianan’izay voafidy. Nahalavorary ny fifidianana izany io lalàm-pifidianana amin’izao fotoana izao io.
Nangonin’i R. Nd.