Iza izy ? Ben’ny Tanàna any Bemanonga, Morondava i Lovamanitra Ony Gloria. Anisan’ny mankafy mandihy ary tia ny gadona rehetra afa-tsy ny Rap sy ny Rock’n’roll. Fialamboly tiany ny mitsangantsangana. Mankafy ny sakafo rehetra koa ity vehivavy ben’ny Tanàna ity. Na izany aza, tsy azoazony loatra ny saosy voatabia.
Manana fikambanam-behivavy sy namorona izany ny taona 2013 ny tenany ka nampitondraina ny anarana “Miray fo” izany. Maherin’ny 300, amin’ireo fokontany manodidina ny mpikambana ary misehatra eo amin’ny asa sosialy sy ny fampandrosoana ny kaominina izy ireo amin’izany.
Etsy andaniny, tsy niomana ho ben’ny Tanàna ny tenany. “Resy lahatra ihany anefa aho rehefa nieritreritra lalina fa tiako hampitomboina ny asa sosialy, efa nataoko hatramin’izay. Hitako anefa fa tena sarotra, tsy mora ny manatanteraka izany eo anivon’ny kaominina tantanako”, hoy izy.
Tsy mora ny mitantana ny vahoaka sy ny kaominina
Niaiky ny tenany fa tena tsy mora ny mitantana kaominina sy ny vahoaka eo aminy. Tena mitaky hamafisan-doha izany. Sarotra ny manatanteraka ny asa rehetra raha ohatra manana fo mangoraka tahaka azy, araka ny nambarany. “Mila mafimafy loha raha te hahavita ny fampandrosoana”, hoy ihany izy. Mbola olana koa anefa ny mampihatra lalàna eo anivon’ny vahoaka sy ny mpiasa eo anivon’ny kaominina, araka ny nambarany hatrany. Na izany aza, miezaka sy tsy kivy ny tenany amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny fampandrosoana ity kaominina, iadidiany, ity.
Etsy andaniny, anisan’ny zava-bitany teo anivon’ny kaominina Bemanonga, ny fotodrafitrasa. Anisan’izany ny rano fisotro. Nanteriny fa tena ilaina ny fiofanana nataon’izy ireo farany teo taty Antananarivo. “Anisan’ ny manampy anay tokoa ny fahazoana izany na efa ho tapitra aza ny fe-potoam-piasana ary ahafahana miatrika indray ny dingana manaraka izany amin’ny fitantanana ny kaominina”, hoy izy.
Nangonin’i Synèse R.