Fiainana ara-pinoan’ny tanora: “Mbola mila fanarenana”, hoy ny kardinaly

Nandritra ny alahady fahadimin’ny karemy, nankalaza ny faha-100 taona niorenany ny fikambanana Antilin’i Madagasikara manerana ny Nosy. Sehatra iray anabeazana ny ankizy sy tanora amin’ny alalan’ny finoana sy fiainana ny skotisma izay tokony ho hita taratra isan’andro amin’ izay rehetra misy azy ireo. “100 taona aty aoriana, tsy hita taratra amin’ny ankizy sy tanora beazina izany fiainana ara-pinoana matotra izany. Tsy tokony ho toy izao ny firenena raha tanteraka tokoa izany satria tombanana ho olona maro no nahazo fanabeazana teo anivon’ny skotisma. Noho izany, mbola misy zavatra maro mila harenina ao”, hoy ny kardinaly Tsarahazana Désiré, nandritra ny lamesa lehibe fanokafana ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Antilin’i Ma­dagasikara teny amin’ny Ekar Don Bosco, Mangarano-Toa­masina.
Nohamafisin’ity lehiben’ny finoana katolika eto Ma­dagasikara ity fa ilaina ny fampianarana ny finoantsika ho fanabeazana ireo ankizy sy tanora. “Miezaha mandrakariva manao soa sy ny fiainana ny maha krisitianina fa ny eto an-tany fanomanana ny any an-danitra. Raha samy miaina marina ny tena finoana isika, resy lahatra ny ratsy rehetra”, hoy hatrany izy.
Ho fankalazana ny faha-100 taona, hetsika maro no nentin’ny fikambanana Anti­lin’i Madagasikara naneho izany nandritra ny lamesa lehibe. Nisy ny fanamasinana ireo notendrena tamin’ny an­draikitra vaovao.

Sajo

Partager sur: