29 marsa 1947 – 29 marsa 2023 : ho lasa fitiavan-taningazana sisa ny an’ny Malagasy

Vao andro vitsy no nilaozana ny 29 marsa. Vanim-potoana heverina fa anisan’ny namaivay tanteraka teo amin’ny fanehoana fitiavan-tanindrazana ho an’ny Malagasy… 76 taona aty aoriana, mbola milaza fa tia an’i Madagasikara hatrany ny Malagasy. Am-bava izay fa ny tena zava-misy marina…

Raha vao voakitika io maha Malagasy io, tohina ihany ilay hambo ao anatin’ny tsirairay ! Hafanam-po mitse­latra sy mandalo satria tsy voataiza hiaina maharitra ny maha malagasy azy ny Malagasy. Ilay kolo saina sy fanabeazana no nametraka io afo mololo io ho an’ny Malagasy. Ireo ray aman-dreny niteraka, ny mpampianatra any an-tsekoly, ny mpiara-monina sy ny rafi-pampianarana, sns, samy tsy mametraka io fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy io intsony.
Vao teraka, anaram-bazaha. Mandeha mianatra, ampianarina amin’ny fomba sy fiteny vahiny. Lehibe, ampilomanosina ao anaty fisainana vahiny… Tsy hita intsony izay hikitika sy hitaiza ilay fitiavan-tanindrazana ao anatin’ny Malagasy. Ireo fomba amam-panao, soketaina ho « asan’ny devoly »… Ny ta­nindrazana dorana, hamidy amin’ny vahiny, otaina fady… Ngazana sy maina no iafarany.
Endrika ngazana tahaka izany no hany ahafahan’ny Malagasy maneho ilay pitikafon’ny fitiavan-tanindrazana ao aminy. Na tsy maty tanteraka aza, mitsilopy sy mila kopaka mafy mba hitombo sy hihamafana ary ho tsara fototra.
Misy rafitra maro sy goa­vana mila hamboarina sy hahitsy eto Madagasikara. Iray amin’ireny ny fanabea­zana sy ny fampianarana. Taranaka malagasy, beazina amin’ny maha izy azy. Ireny (teny, tany, fomba amam-panao, kolontsaina…) ireny no hatao ho fototra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: