Fanomezan-jo : mila lamina manokana ny «autiste»

«Mitovy amin’ny fomba fiainan’ny olom-pirenena re­hetra ihany ny fiainan’ny olona hafakely (Autiste)», hoy ny filoha mpanorina ny fi­kambanana Autisme eto Ma­da­gasikara, Raveloarimisa Mbolatiana , ny Alahady teo, teny Tsimbazaza. Nilaza izy fa tsy vitan’ny minisitera iray na tompon’andraikitra iray ny fitaizana azy ireo fa ilaina ny fandraisan’andraikitry ny re­hetra. Tsara raha apetraka ny lamina manokana hanatsarana ny fari-piainan’ireo olona hafakely. Mba hanomezan-danja ny zon’ny olona hafake­ly toy ny olom-pirenena rehetra. Anisan’izany, ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana azy ireo arakaraky ny toe-batany. Toy ny fampitomboana ny sekoly mandray an-tanana. Mila jerena ny seha-pahasalamana sy ny mpitsabo manokana izay mitsabo azy ireo. Ankoatra izay, mila hampianarina ny mpitandro ny filaminana mba hahay handray an-tanana ireo olona hafakely mitsoaka…
Ankoatra izay, manampy ny fitaizana ireo olona hafakely ny famakiana boky. Nato­lotra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo, tetsy amin’ny IFM Analakely ny fampahafantarana izany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: