Mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra hatrany ny eto an-drenivohitra, ankehitriny. Mijohy ny orana amin’ny faritra maro, hany ka mananosarotra ny fifamoivoizana. Dibo-drano ny toerana iva. Miaina anaty petsapetsa ny « ambanitanana ». Zava-doza, mitsikafona manerana ny tanana ny diky. Milomano anaty loto tanteraka ny mponina. Ankoatra izay, feno fandrika amin’ny lavaka ny arabe. Mahita faisana ny mpampiasa lalana eto Antananarivo. Tsy misy afa-bela, mikaikaika avokoa na olon-tsotra na mpitatitra. Maro ny fiara maty an-dalana, betsaka no simba fananana.
Mifanidran-dalana amin’izay, hasamboaravoaran’ny ranobe ny kirizy toekarena sy sosialy ihany koa ny sarababem-bahoaka malagasy. Misy vao miainga an-tseranana ny sambo dia dobo. Ny hafa mba niezaka ihany, saingy tafita vao rendrika. Samy miezaka mitady ny vahaolana, hialana amin’ny olana tsy maintsy zakaina andavanandro ny tsirairay kanefa tsy mahafa-piry. Sarotra ny ady, indrindra fa miady irery tsy misy mpiahy. Tsy mahita vahaolana, na iatrehana ny hamehana akory ny mpitondra fanjakana. Maika aza manosika ny sambo any anaty onja mahery vaika.
Sanganehana ny vahoaka, miraviravy tanana izay olona manam-piniavana mba hitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana olana. Tsy misy toerana ho an’ny olona mandeha mahitsy sy tena resy lahatra hanampy ny mpiray tanindrazana ny fitondrana mijoro. Mbola ireo vitsy anisa, mpanao ampihimamba ny harem-pirenena sy mpanao tantely afa-drakotra no mizahozaho etsy sy eroa. Tsy misy vahaolana iraisan’ny besinimaro izany, hatramin’izao.
Samy maka ho azy, samy mivoy ny lakana mankany amin’izay mahametimety azy sy tsy handrendrika azy sisa ny Malagasy. Mitady izay onja mora iampitana, hialana ny loza.
Aleo rahateo maty rahampitso toy izay maty anio ! Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny endrika tsy fanarahan-dalàna, indrindra ny tsy fandriampahalemana. Na lamba iray miaha eny an-tokontany aza izao efa tsy azo atao tratra alina. Izay mety havadika vola dia misy mangalatra.
Tsy mifidy toerana, tsy mifidy saranga intsony ny fanaovan-dratsy. Manao izay danin’ny kibony ireo mihevitra fa ho tompon’ny hery sy tanjaka. Tsy misy miraharaha ny fiainam-panahy izany, na mahazo vahana aza ny fijoroan’ny antokom-pinoana sy fiangonana etsy sy eroa. Ireto farany rahateo, izay misary sambobe iray, mandraoka izay azo raofina ka mitondra ny mpandeha any amin’izay itiavany azy fotsiny. Firifiry no very fanahy mbola velona, tsy mahita ny tena lalan-kizorana fa manaraka ambokony sy voazanaka ara-tsaina. Raha fanahy no heverina ho avotana, ny fananana kely an-tanana sy ilay hasina maha olona sisa tavela no very ny an’ny sasany.
Santionam-piainana tsy maintsy lalovan’ny Malagasy ireo notanisaina. Mafy ny ady tsy maintsy hatrehina saingy tsy mbola manary toky. Tsy mora saingy miainga amin’ny fisainan’ny tsirairay sy ny fahavononana hihoatra ny sakana misy. Mitaky finiavana ny fanovana sy fialana amin’izao zioga mitambesatra an-tsoroky ny tsirairay izao. Miainga avy ao an-tokantrano ny faharesena lahatra, miitatra eny amin’ny fiarahamonina, mipaka hatrany amin’ny firenena.
Raha fehezina, any amin’ny vahoaka ny tompon’ny teny farany. Miankina aminy ny zotra tokony hizoran’ny sambo anatin’izao fisamboaravoaran’ny ranomasina izao !
r.r