Nahavariana ny mpanaraka tambajotran-tserasera, omaly, ny ranty nataon’ny tomponandraikitra ambony iray amin’ny fitondrana. Fizarana mahakasika ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Horonantsary nahodina, efatra andro mialoha ny niongany teo amin’ny toerana. Nifono zava-dalina ny hafatra tanatin’ilay horonantsary, mahakasika ny fisolelafana sy ny filana ranondranony. Nahay naka lesona ny filoha tamin’izany fotoana saingy efa tara. Asakasak’izay hamerina ny fahadisoana.
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mampametra-panontaniana ny nahatonga an-dramatoa, mpitondra ambony nizara ilay ranty. Iaraha-mahalala sy miaina tokoa fa zary mahazo rirany sy ravin’avatra avokoa ny mila 19/20 na ireo mpisolelaka. Mahazo toerana sy homena andraikitra na tsy mitovy firehana amin’ilay fanavaozana aza. Misy ny mpanohitra, nahay nilomano ka tafita any anaty fitondrana. Ireny indray no milaza ho sarotiny alohan’ny tompony, ankehitriny.
Tsy vitan’izay fa tokony ahatonga saina ny Filohan’ny fanavaozana ireo olona mampibolisatra azy amin’ny fanasoasoana. Tsy mahatafavoaka lavitra ny faneken’ny saina hoe mpanao “ Oui mesie! Oui mesie”. Tsy tokony ho tafiditra anatin’ny vela-pandriky ny mpandroboka ambony hoditra akondro izy. Marina fa matsiro ilay homem-boninahitra sy mahatsapa fa lolohavina an-tampony loha, saingy ratsy ilay mitontona tsy amin’ny lerany. Mila miverina kely ety ambonin’ny tany.
Ankoatra izay, mila mahazaka tsikera ary mametraka ny serasera ho an’ny fanorenena. Mahavariana mahita ilay olona manampahefana manodidina ao an-dapa ao. Toa sanatrian’ny vava tsy manana ilay aingam-panahy mamoro sy mivarotra ireo mampiavaka ilay filoha. Kisary ratsy, toa midika ho mpaka tahaka sy mpanaran-drenirano fotsiny no havoakan-dry manampahaizana sasany. Olona manana ny maha izy sy ny mampiavaka azy anefa izany hoe miaramila izany.
r.r




