Fikambanana Malaza ny Gasy : ankizy sahirana 5 500 raisina an-tanana

Mahatratra 5500 ireo ankizy sahirana raisin’ny fi­kambanana Malaza ny Gasy an-tanana manerana ny Nosy. Mahatratra 250 ireo mpanabe mampianatra azy ireo. Manampy sy mampianatra ireo ankizy sy tanora sahirana manerana ny Nosy, indrindra ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo ny fikambanana, amin’ny alalan’ny “Ecole de la chance”.
“Mbola misedra olana ny ankizy kere any amin’ny fa­ritra Atsimo satria tsy ampy sakafo, rano, toeram-pianarana… ny ankamaroan’izy ireny”, hoy ny tale mpanampy eo anivon’ny fikambanana Malaza ny Gasy, Angelo. Manoloana izany, mikarakara hetsika “Fampisehoana tarika NyAinga” ny fikambanana, ny 30 avrily ho avy izao. Mba hanampiana ireo ankizy kere. Tanjona ny ha­hafahan’ny ankizy misitraka fanabeazana feno toy ny an­kizy rehetra manerana ny Nosy, raha ny fanazavana voaray ihany. Natokana ho an’ireo ankizy any amin’ny faritra Atsimo ny vola azo rehetra mandritra ny hetsika, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Hanam­boara­­na trano fianarana, hi­vidianana seza, latabatra, fitaovam-pianarana ary ham­pidirana rano.
Mahatratra 5 ireo akany any amin’ny faritra Atsimo: Akany Valisoa Anketraka, Longosoa Ampasy Toliara, Fiadanantsoa Anketraka, Na­­­hodasoa Amatara ary Akany Marosoa Morafotsy. Ahitana Akany Malaza ny Gasy iray ihany koa eto Antananarivo. Marihina fa niforona tamin’ny 2002 ny fikambanana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: