Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ireo mpianatra 3 avy amin’ny CEG eto Antananarivo. Solontena avy amin’ny CEG etsy Analamahitsy, Antanimena ary Avaradoha izy ireo. Voafantina tamin’ny fifaninanana tononkalo manentana ny olona mba hanana fitondran-tena mendrika amin’ny fikajiana ny rano sy ny fahadiovana. Tonga nanolotra izany teny an-toerana ny lefitra faharoan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Nikarakara fifaninanana tononkalo ny fitaleavana misahana ny Rano sy ny fahadiovana sy fidiovana eo anivon’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny rano sy ny fahadiovana, ny 22 marsa 2023 lasa teo. Nandray anjara tamin’ izany ireo ankizy tsirairay avy amin’ny CEG 6 (Anosibe, Manara-penitra Soamandrakizay, Ampefiloha, Avaradoha, Antanimena ary Analamahitsy) eto Antananarivo. Nitsara ny lalao sy ny sanganasan’izy ireo ny manampahaizana manokana nomanin’ny mpikarakara. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin’izany, ny mpianatra avy ao amin’ny CEG Analamahitsy. Faharoa kosa ny avy ao amin’ ny CEG Antanimena. Laharana fahatelo ny avy amin’ny CEG Avaradoha.
Nahazo mari-pankasitrahana avokoa ireo CEG rehetra nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Samy nahazo “lavage de main”, sceau, gel, masque, savony avokoa ny sekoly nandray anjara. Talohan’ny fanolorana mari-pankasitrahana, efa nalaina horonampeo teny anivon’ny radio iray ny tononkalon’ireo tafakatra.
Mino (Mpianatra asa)