Notanterahina tany amin’ ny faritra Melaky, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka ho an’i Madagasikara. “Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka, milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasa” no lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana.
Raha ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamana dia 543.994 ny trangana tazomoka tao anatin’ ny dimy volana voalohany, ho an’ny taona 2022, teto Madagasikara. Mahafaty ny aretina raha tara ny fitsaboana, indrindra ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy marefo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo…
Any amin’ny faritra mafana no tena misy ny aretina tazomoka. Ireo olona avy amin’ny faritra tsy misy tazo kanefa mandeha mivahiny amin’ireny toerana be tazo ireny matetika tratran’ny tazo mahery vaika, noho ny tsy fahampian’ny hery fiarovana ao anatin’ilay olona, raha ny fanazavan’ny dokotera.
Nifanindran-dalana tamin’ ny fanamarihana ny herinandro fanaovam-baksiny amin’ ny faritra Afrika, izay hifarana amin’ny 1 mey, ihany koa ny hetsika.
Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny fahavitana vaksiny, farafahakeliny 10%, indrindra ireo nitsoaka an-daharana sy ny tsy nahavita mihitsy, ary koa ny hampidinana ny tahan’ny fahavoazan’ ny tazomoka eo anivon’ny Faritra
Tatiana A