Nisy ny fanadiovana faobe ny lalana “Rocade Iarivo”, nanomboka etsy amin’ny Rond-point Andranobevava, Nanisana, hatrany Ambohimangakely Amoronakona, omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny kaominina Ambohimangakely no nahatontosana izany. Niaraka nifarimbona ny mpanadio lalana avy amin’ny kaominina roa tonta satria toerana itambarana iny. Nandritra ny fiaraha-miasa teny an-toerana, nisaotra ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely amin’ny fifanampiana satria tsy vitan’izy ireo irery ny asa toy izao.
50 ireo ekipan’ny kaominina roa tonta nanatanteraka ny fanadiovana ary niampy ireo mpanadio avy eny anivon’ny fokontany 18. Nilamina ny fizarana asa nosahanin’ny ekipa maromaro. Ny fampandrosoana sy ny fanadiovana ny tanàna no tanjona amin’izao hetsika izao ary hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo kaominina roa. Nitarika ny fanadiovana teny an-toerana ny tale misahana ny Tanàn-dehibe avy eo anivon’ny CUA sy ny sekretera jeneraly avy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimangakely.
Vonjy