Fitsaram-bahoaka: jiolahy roa nikasa hanohitra, maty voadaroky ny fokonolona

Noraisim-potsiny! Matin’ny daroka nataon’ny fokonolona ireo dahalo roa lahy tao Ambohitsapana, anatin’ny kaominina Ambohiborona, distrikan’i Faratsiho, ny alahady 30 avrily teo.

Nividy mofogasy 80 tao amin’io fokontany io, nampiahiahy ny manodidina ny fihetsiky ny lehilahy iray. Nifanaraka ny fokonolona ka nanara-dia io olona io. Niditra tany anaty vohitra ivelan’ny ta­nàna izy. Tsikaritr’ireo mpanara-dia tamin’izany, ny fisian’ny roa lahy miambina omby sivy. Mpina­mana, arak’izany, io nividy mofogasy io sy ireo roa lahy niambina ny omby. Rehefa nohadihadian’ny fokonolona nanara-dia, na­nohitra avy hatrany ireto dahalo ireto. Niezaka nandositra ireto farany saingy tra-tehaka ny roa lahy. Rai­kitra ny daroka nataon’ireo fokonolona. Vokany, namoy ny ainy teo noho eo ireo roa lahy. Tafaporitsaka ny namany iray. Nandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Naverina amin’ny tompony kosa ireo omby halatra izay very ny 29 avrily teo.

Tsiferana R.

Partager sur: