Tao anatin’ny roa andro monja, fito lahy ireo mpitsindrona rongony mahery vaika « héroïne » saron’ny zandary tetsy Anosizato. Mpivarotra io zava-mahadomelina anisan’ny manimba ny tanora io no voasambotra ny 1 mey teo. Naharay angom-baovao tamina tsara sitra-po ny mpitandro filaminana ka nanao ny fisamborana. Nahitana vovoka rôrô tao anaty fonosana tao amin’io lehilahy io. Mitana fitaovam-pandanjana io rongony io koa izy nahafahany namarotra izany tamin’ireo mpanjifa. Tsy vitan’ireo, mbola nahatrarana fitaovam-pitsindronana koa tao aminy. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany izy.
Enin-dahy hafa
Ankoatr’io mpamatsy rongony io, enin-dahy voasambotry ny zandary teo am-pitsindronana tao Ampahitra, fokontany Ampefiloha, kaominina Anosizato, afakomaly. Mbola teo anatrehan’ireto mpitsindrona “rôrô” ireto, ny rongony nahatratra sivy fonosana. Nogiazana niaraka tamin’izany, ny fitaovam-pitsindronana, ny sotro kely miendrika vilany niampy ny fingotra hanagejan’izy ireo ny tanany. Atolotra ny fampanaovana aorian’ny famotorana azy, ireto voasambotra ireto.
Jean Claude