Ampasika : mpandeha an-tongotra saika voatsatok’antsy

Soa ihany fa hitan’ny polisy! Mpandeha an-tongotra avy niasa taraiky fodiana no saika notsatohan’ny jiolahy antsy, teny Ampasika, omaly alina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy ao amin’ny (CSP7) no nahitana ilay olon-dratsy ma­nam­bana antsy ny lehilahy iray. Voalaza fa avy niasa izy tamin’io fotoana io. Nitsoa­ka avy hatrany ilay jiolahy raha vao nahita ny polisy. Tsy nisy zavatra lasa tamin’io fotoana io.
Lehilahy iray avy niasa ihany koa no voatsatoka antsy, teny Andranomana­lina, afakomaly alina. Nara­tra mafy teo amin’ny kibony izy satria nanohitra ireo jiolahy telo nanendaka azy. Vola 1 hetsy Ar no lasan’ireo olon-dratsy. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly kosa ilay niharam-boina.

J.C

 

Partager sur: