Fakana an-keriny : raikitra ny fifampitifirana, olona 11 avotry ny zandary

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo mpaka an-keriny sy ny zandary tao An­kilizato ,omaly. Fiana­ka­viana iray avy ao Amba­lakajaha, anatin’ny fokontany Mavo­gisa, kaominina Anki­lizato no nalain’ny olon-dratsy an-keriny. Tompon’antoka ny jiolahy fito mitam-piadiana mahery vaika. Manoloana izany, nisy ny fisafoana ny tanàna nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana sy ny Tafika. Nifane­hitra tamin’ny dahalo izy ireo, nandritra ny fisafoana kizo.
Nirefotra ny basy. Raikitra ny fifampitifirana. Votsitra teny ampelatan’ny olon-dratsy izy 11 mianadahy. Nan­dositra ireo dahalo rehefa tsy nahatohitra ny mpitandro filaminana. Naverina tamin’izy ireo koa ny entan’izy ireo teny amin’ny jiolahy.
Tsy mahita hirika amin’ny halatra omby noho ny hetsiky ny mpiatndro filaminana ny jiolahy. Hany ka mirona any amin’ny fakana an-keriny indray izy ireo, ankehitriny. Nanambara ny kaomandin’ny kaompania Morondava, fa tsy hilefitra amin’ireo olon-dratsy ny zandarimaria any an-toerana. “Mitaky fiaraha-miasa amin’ny olona eny ifotony izany.Vonona hatrany hiady amin’ny asa ratsin’ireo dahalo na hamoizana ny aina aza mba hilaminan’ny vahoaka sy ho an’ny tanindrazana”, hoy izy.

Tsiferana R.

Partager sur: