Mby aiza ny fitoriana momba ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana? Tsy voatery hiteny hatrany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), na hoe tsy mijery fotsiny aza.
“Na miaro ny lalàmpanorenana aza izahay, tsy hiloa-bava isaky ny misy mihevitra na mieritreritra fa mihoa-pefy na manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny fahefana mpanatanteraka”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Tsimbazaza, omaly, nanontanian’ny mpanao gazety momba ny filazan’ny mpanao politika sasany eo anivon’ny fanoherana ny amin’ny tsy fahalalahana maneho hevitra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Efa nisy aza ny fitoriana napetraka eny amin’ny HCC ny amin’izany.
Tsy isak’izay heverina hoe misy an’izany tranga izany dia hiteny hatrany ny HCC, araka ny fanazavany. Voafetran’ny lalàmpanorenana, araka ny And. 118 sy ny 119, ny hahazoany miteny. Voafetran’ireo andininy ireo koa ny manampahefana na ny olona mahazo manontany na manao fitoriana any amin’ny HCC. “Koa miangavy izahay mba hatsahatra ny fanomezan-tsiny lava”, hoy izy. Tsy mandeha tsy voizina akory ny HCC, fa misy pitsopitsony ny voalazan’ny lalàmpanorenana hahazoany miteny.
Tsy mijery fotsiny ny HCC
Ny HCC no mampanaja sy miambina ny lalàmpanorenana. Nefa tsy mijery fotsiny izy, raha misy izay heverin’ny olona, indrindra fa ny mpanao politika, hoe misy fanitsakitsahana ny fahalalahana ary misy fanamparam-pahefana ataon’ny mpanatanteraka. Izay no ifanomezan-tsiny hoe misy faneriterena amin’ny fahalalahana fivoriana. Toy izay heverin-dry zareo mpanao politika sasany tamin’izany navoakan’ny minisiteran’ny Atitany hoe tsy azo atao ny manao famoriam-bahoaka ankalamanjana fa tsy maintsy anaty trano. Gaga ihany ry zareo eo anivon’ny HCC ny amin’izany. “Efa imbetsaka izahay no niteny fa tsy mandeha tsy voizina ny HCC”, hoy hatrany izy
.
R. Nd.