Tontosa omaly tolak’andro, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosy, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe ara-potoana voalohany. Haharitra 60 andro ny fivoriana, araka ny voatondron’ny Lalàmpanorenana. Ny talata voalohany amin’ny volana mey no hanaovana ny fivoriana ara-potoana voalohany, ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fivoriambe ara-potoana faharoa.
“Aoka tsy hifanome tsiny, aoka tsy hifanilika andraikitra”, hoy Razafimahefa Herimanana, filohan’ny Antenimerandoholona, tamin’ny fandraisam-pitenenany. Nivoitra tamin’ny lahateniny ihany koa ny mahakasika ny zava-misy eran-tany, mahatonga ny fiakaran’ny vidim-piainana. “Tsy isika Malagasy ihany no miaina io fa izao tontolo izao, noho ny tsy fahafahan’ny entana mivezivezy”, hoy izy.
Niarahaba ny filohan’ny Repoblika ihany koa izya, noho ny nahazoany ny amboaran’ny “Trophée Babacar Ndiaye 2023” sy ny fanaovana tatitra ny ezaky ny fitondram-panjakana. Namaranany ny kabariny, ny fanaovana tatitra ny asa vitan’ny loholona sy ny fanentanana ny olona ny amin’ny fifidianana ho avy.
Lin (Mpianatra asa)