Fanavaozana lisitry ny mpifidy : fitaovana azo kirakiraina ny rejisitry ny fokontany

“Fitaovana heverin’ny Ceni fa anisan’ireo antontan-kevitra azo kirakiraina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny rejisitra teo aloha eny anivon’ny fokontany.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny na­moahan’ny Ceni ny lisitry ny mpifidy amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Ral) nefa tsy mbola nisoratra anarana amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao.
Hita tamin’ireny ireo olom-pirenena tsy mbola nisoratra anarana, ka tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra vonjimaika. Entanina manokana izy ireo raha mbola eo hisoratra anarana amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao, fa tsy hoe hampidirina avy hatrany ao anaty lisitra. Napetraka eny anivon’ny fokontany izay lisitry ny mpifidy ao anaty Ral nefa tsy mbola nisoratra anarana izay.
Ilaina ny fanaraha-maso
“Raha nieritreritra hameno isa ny Ceni, nampiditra avy hatrany ny anaran’ireo tao anaty Ral farany teo nefa tsy mbola nisoratra anarana”, hoy izy. Nefa tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana izay, fa tsy hita ao anatin’izany ny efa nodimandry, very zo, nifindra monina… Ny fanaraha-maso no hahitana ny fahamarinam-pototra amin’izany.
Tamin’ny fanisana mpifidy nitety tokantrano, ohatra, nentanina hisoratra anarana eny amin’ny fokontany ireo tsy tratra an-trano. Nefa ma­lalaka be ny hoe fokontany, arakaraka ny toerana: misy, ohatra, tsy manana biraom-pokontany fa ny tranon’ny lehiben’ny fokontany no bi­rao, misy eny ambodikily, any amin’ny tranompokonolona… Atao izay fomba rehetra ahazoana mifandray sy mampiditra ny anaran’ny olom-pirenena ao anatin’ny lisitry ny mpifidy fa tokony hisitraka ny zony hifidy.
Taratry ny mangarahara asehon’ny birao mpanantanteraky ny Ceni ny niantsoany teknisiana Malagasy hanao “audit” izay voarakitra rehetra manodidina ny tontolon’ny lisim- pifidianana. Izao fisokafana amin’ny teknisiana Malagasy izao dia mitsipaka ny feo aely hoe ny vahiny no mibaiko ny CENI amin’ny famolavolana lisitra. Manam-pahaizana telo, avy amin’ny fitondrana sy avy amin’ny mpanohitra ary avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena no handray anjara amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: